1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
2 Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?
3 Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
4 Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.
5 Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
6 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
7 Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.