25 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
26 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
27 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
28 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.
29 Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.
30 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.