2 Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?
3 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
4 Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
5 Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
6 (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
7 Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.