5 Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
6 (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
7 Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
9 Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
10 Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
11 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;