1 Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
2 Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
3 Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba.
4 Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
5 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;