9 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
10 He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
11 Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
12 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.
13 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony?
14 Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,
15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,