2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
6 Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao?
7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.