3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.
5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
8 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;