5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
8 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;
10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.