20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23 Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.