33 Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
34 Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
35 dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.
36 Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
38 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39 dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.