36 Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
38 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39 dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.
40 Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
41 Dia nasian'i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
42 Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.