2 tamin'ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny firenena sivy sy sasany.
3 Fa efa nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
4 Fa firenena roa ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany.
5 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
6 Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
7 Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
8 Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao.