5 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
6 Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
7 Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
8 Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao.
9 Dia nianiana tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitro ianao.
10 Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany teny izany tamin'i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
11 Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin'izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Jos 14: