3 sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
4 sy Eltolada sy Betola sy Horma
5 sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
6 sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
7 sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
8 ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony.
9 Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.