44 sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
45 sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
46 sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
47 Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
48 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
49 Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona.
50 Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.