14 Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,
15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko.
17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.