21 Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky.
22 Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
23 Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny Isiraely.
24 Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
25 Fa Rahaba janga sy ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i Jeriko izy.
26 Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.
27 Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.