23 Dia nalainy avy ao amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan'i Jehovah
24 Dia nalain'i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
25 Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
26 Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.