7 Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!
8 Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny fahavalony?
9 Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
10 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
11 Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany.
12 Koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
13 Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.