10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.
11 Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay.
12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanàna.
13 Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan'ny tanàna, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany alina izany.
14 Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana mankany an-efitra.
16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.