2 dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.
3 Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
4 dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
5 ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.
6 Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
7 Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
8 Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?