8 Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?
9 Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
10 ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.
11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
12 Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy;
13 ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
14 Ary nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy.