Levitikosy
toko 14:31-37
Malagasy Bible
31dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
32Izany no lalàna ny amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
33Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
34Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo,
35dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.
36Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
37ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,