Levitikosy
toko 14:49-55
Malagasy Bible
49Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
50Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray;
51dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
52Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky.
53Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio izany.
54Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina,
55ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano,