Levitikosy
toko 21:3-9
Malagasy Bible
3ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
4Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin'ny fireneny izy.
5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
6Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
7Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
8Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo.
9Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo.