Levitikosy
toko 22:16-22
Malagasy Bible
16na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
17Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana,
19dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
20Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
21Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
22Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an'i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin'ny afo eo ambonin'ny alitara ho an'i Jehovah.