1 Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.
2 Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.
3 Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
4 ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.
5 Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.