1 Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
2 Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
3 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
4 Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.
6 Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.