11 He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.
12 Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.
13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
14 Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
15 Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
16 Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
17 Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.