3 Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
6 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.
9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.