2 Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3 nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.
4 Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
5 Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
6 Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.
7 Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:
8 Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.