Mpitsara 14:12-18 MG1865

12 Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.

13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.

14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin'ny hateloana.

15 Ary nony tamin'ny andro fahafito, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?

16 Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?

17 Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.

18 Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.