4 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
6 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy.
8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.
9 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.
10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.