Mpitsara
toko 21:2-8
Malagasy Bible
2Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
3nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?
4Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
5Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
6Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.
7Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?
8Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.