Mpitsara
toko 21:22-25
Malagasy Bible
22Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
23Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
24Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.
25Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.