Mpitsara
toko 21:9-15
Malagasy Bible
9Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
10Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
11Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.
12Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.
13Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
14Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
15Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.