3 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.
4 Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.
5 Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.
6 Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
7 Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
8 Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
9 Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy