1 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
2 Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
3 Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
4 Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
5 Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
6 Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
7 Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.