1 Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
2 dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
3 Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
4 Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
5 Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
6 Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
7 dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao: