5 Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
6 Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
7 Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo.
10 Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
11 Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona.