2 Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
3 Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
4 Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
5 ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
6 Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
7 Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
8 ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.