8 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
9 Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.
10 Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.
11 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
12 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;
13 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra: