1 Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:
5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
6 Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.
7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.
13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14 Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,
15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,
18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.