Ohabolana 12 MG1865

1 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.

2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.

3 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.

4 Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.

5 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.

6 Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.

7 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.

8 Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.

9 Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.

10 Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;

11 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.

12 Ny mpanota maniry ny hazan'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona.

13 Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.

14 Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.

15 Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.

16 Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.

17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.

18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.

19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.

20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.

21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.

22 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.

23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.

24 Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.

25 Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.

26 Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.

27 Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.

28 Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.

toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31