9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.
12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13 Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.
14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.
15 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.