9 Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
10 Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
11 Ny fisaoran'ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.
12 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
13 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
14 Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
15 Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.