18 Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
19 Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy.
20 Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.
21 Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
22 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
23 Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.