9 Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.
10 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
11 Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
12 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13 Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
14 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.