3 Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4 Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
6 Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
9 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.